MARION ANILANAO

  • il y a 16 ans
Rnb tena tsara!Ezaka manokana ny nametrahana tononkira mba hankafizanareo azy kokoa!!!Miala tsiny raha somary misy diso kely e!

Nataoko ihany angamba ny azo atao
Hoentiko nanadinoana anao
'Reo fahatsiarovana nisy taloha navaloko

Nitady olon-kafa 'zaho nasolo anao
Nefa tsy haiko ihany
Mbola tianao foana aho, mbola miandry anao
Ka tsy haiko ny atao.

Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy
Ny anilanao no mba nahitako hafanana
Ka dia ho eo foana aho, tia anao hihanta eo anilanao
Na ny andro nanjombona namirifiry
Na namiratra foana izy na nampangatsiaka
Fa teo foana ianao, tonga mitalaho
Hoe aza mandao

Hatramin'izay tsy nahateo anao toa alahelo foana
Nanjary hakiviana feno fahoriana izany fiainako
Mila anao foana aho, miandry anao, aza ariana
Ka mba mitalaho, raha azo atao
Mba ho eo...

Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy
Ny anilanao no mba nahitako hafanana
Ka dia ho eo foana aho, tia anao hihanta eo anilanao
Na ny andro nanjombona namirifiry
Na namiratra foana izy na nampangatsiaka
Fa teo foana ianao, tonga mitalaho
Hoe aza mandao

Mbola miandry anao foana aho
Miandry anao ny toeranao
Koa mba lazao izay sitrakao na holavinao

Efa nifanantena izaho sy ianao
Fa tokony hoe tsy hisy hifandao
Aza avelanao irery foana aho
Aza dia avelanao hisento aho
Fa te mba ho namanao

Anilanao ihany...

Category

🎵
Music