MARION MBOLA HO AVY

  • il y a 16 ans
Nohezahana nasina tononkira hanampy anao @ fakanfizanao ity hira tena tsara ity!Boutax...

Raha misy alahelo anatinao
Avy fa aza manahy ahy
F'reo sorisory sy ahiahy
Lazao anie f'izaho mbola eto ihany

Mbola hameno ny hafanana,
Hamelona hazavana
Hanafo sy hanoroka

Avia, avia an-tratrako
Raha misy ny manjo
F'izaho dia tsy ho sahy hanary anao
Na ho sarotra

Fa efa voasoratra ato am-po
Ireo teny manambara fitia
Ny hoe hisaraka tsy tonga tato anaty

Ny voadiko dia ny faty ihany no hanasaraka
Ka dia matokia..

Avia, avia...

Mbola ho avy ny andro,
Ho avy ny fotoana
Dia hifarana hatreo ny tomany
Ka mahandrasa aloha fa ho hitantsika
Tsy ho ela intsony
ouh, ouh, ouh

Avia, avia an-tratrako (ouh, Avia aza mananahy...)
Raha misy ny manjo (eh, yeah, ouh ...)
F'izaho dia tsy ho sahy (Ny andro sisa iainako...)
hanary anao(eh, eh, oh...)
Na ho sarotra (Aza manahy ianao...)

Avia...

Category

🎵
Music