Assaut sur Ambohitsirohitra version MATV

  • il y a 15 ans
Arahaba Tompoko,
Raha nanapa-kevitra ny handefa ireto sary ireto ato amin’ity tranonkala ity moa ny tenako moa dia natao izao mba hizarana amintsika Malagasy izay aty ampitan-dranomasina indrindra indrindra ny vaovao an-tsary izay mitranga aty Madagasikara amin’izao korontana izao. Ny sary sy ny feo izay alefako eto moa dia nalaiko avy tamin’ireo aino aman-jery maro samiafa misy eto Madagasikara, ka noho izany tsy hevitro manokana akory no mivoaka sy mivohitra amin’izany fa hevitr’ireo mpanao gazety nanao ny fanadiadihana.
Tsara ho marihana etoana ihany koa fa tsy momban’ny andaniny na ny ankilany ny tenako, izany hoe tsy momba na an’i ngiah Andry Rajoelina ary tsy momban’I ngiah Ravalomanana ihany koa fa ny mampita ny zava-misy no ataoko. Ka noho izany tsara raha mijery ampahatoniana sy amin’ny fanajana ny hevitry ny hafa isika fa tsy enti-po ka hiteny ratsy na hifanaratsy eto. Misaotra mialoha Tompoko.
PS: Mampilaza ihany koa fa misy ny sary sasany izay mety havesatra sy ho mafy ho an’ny sasany ka dia samia mivonona.

Category

🗞
News