Ventson-kira - Mihelina avokoa

  • il y a 15 ans
Mihelina avokoa, mandalo vetivety
Izao tontolo izao sy ny hareny rehetra

Ref
Ny lanitra no misy ireo zava-tsoa mateza
Anjara lovantsika mandrakizay doria
Ry Jesoa Tomponay mba ento izahay
Hitoetra akaikinao mandrakizay doria

Mihelina avokoa ny hoby sy ny laza
Tsy misy tsy ho adino ireo noderaina fahiny

Mihelina avokoa ny filibàna rehetra
Poizina manimba nofo loza manimba fanahy

Category

🎵
Musique