Hay teo foana i Kristy - Jocelyn Ranjarison

  • 12 years ago
Hoy Jesosy: "Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka."
Lioka 5:32

"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany" Jaona 1:12

Fatra-pitady hafaliana
Taloha aho, tamin-java-boarara
Ka ny tsiniako ireo loza, mpahazo ahy
Tety an-tany
Niraiki-po tamin'ny tany aho
Mandram-pianjerako nitsirara
Tamin'io indrindra anefa
No niantso ahy Ilay mpiandry tsara.
ref:
Hay teo foana i Kristy (x2)
Niandry ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy.

Tsy hita intsony ireo rendrarendra
Izay namitaka ahy
Haiko izao ny làlan-tsara
Ka hizotra aho tsy amin\\'ahiahy
Ny fiainako isan\\'andro
Miarak'Aminy dia mamy éry
O! Indrisy raha fantatro
Tsy nampiandrasiko mihitsy i Kristy.

Hay teo foana i Kristy (x2)
Niandry ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy.

Category

🎵
Music