Dera laza ry Mpanjaka - Fihirana FFPM 750

  • 11 years ago
Dera, laza, ry Mpanjaka
No atolotray Anao
Noho hianao nitahy
Tratranay ny taombaovao

Andro maro izay no lasa
Be ny soa hitanay
Fitahia-mahagaga
Azo taminao ry Ray

Marobe ny ratsy vita
Lehibe ny helokay
Ke tsy mendrika ny hiantso
Ny Anaranao izahay

Miantra, ry Zanahary
Mamela ny helokay
Ka sasao ny ran'i Jeso
Mba hadio izahay

Aoka re ny andro sisa
Hanompoanay anao;
Hatanjaho ry Jehovah!
Izahay mpanomponao