Ho fandraisana anjara amin’ny fampafahantarana bebe kokoa mikasika ny aretina autisme, ny Fondation Orange dia namolavola ny « Le Voyage de Maria », horonantsary fohy novokarin’i Miguel Gallardo mpanao sary espaniola sady rain’i Maria, ankizivavikely voan’ny autisme. Ny « Voyage de Maria » dia fitsidihana fohy ny tontolo anatin’ny tovovavy voan’ny autisme, fivahinianana ao anatin’ny tontolo maro loko, tontolon’ny fitiavana sy ny famoronana ary talenta miavaka, izay miandoha eo amin’ny fahatsapan’ny ray amandreny mahita ny zanany vavy fa manana fomba fihetsika tsy mahazatra ary miafara amin’ny valin’ny fizahana nahafantarana fa misy autisme izy. Raha te hahafantara misimisy kokoa dia : www.fundacionorange.es
Category
🛠️
Estilo de vida