FIRMIN - Manaiky aho

  • il y a 16 ans
Manaiky aho (FIRMIN)

Tompo ô tsy haiko ny hangina
Fa tena resinao lahatra aho
Ho aiza aho, mahamenatra ahy
Ireo heloka sy ny hadalana natao
Inty aho mahatsapa ny fitiavanao ahy

Mahamay ny fitsapana
Manaiky aho izay no lalana
Hamefenao ahy
K’isaorako anao indrindra, Tompo ô

Fiv :
Nahoana aho moa no tsy hankasitraka foana
Fa ny fiainako dia avy Aminao
Nahoana moa no tsy hanaiky aho
F’Ianao no naha-toy izao ahy
Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy, ekeko izany
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Tompo ô toa ny andro mahaory
Mavesatra indrindra no lalovako
Mafy ny fisarahana amin’ny maha-olombelona
Nefa nanehoanao fahagagana
Na izany aza Tompo Tsitoha
Manaiky aho izay no làlana
ka ny androko omaly ny ampitso sy androany
Inoako foana fa avy aminao

Fiv..

Mahamay ny fitsapana
Manaiky aho zay no làlana
Hamefenao ahy isaorako Ianao indrindra
Nahoana moa no tsy hanaiky aho
Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy
Ekeko izany

Fiv…

Category

🎵
Music