Vonjy et al. - aza matahotra

  • il y a 16 ans
Isaia 41:10 - http://www.baiboly.org/

Fiv. :
Aza matahotra ianao, fa homba anao Aho
Ary aza mierikerika f’Izaho no Andriamanitrao
Mampahery anao Aho, sady mamonjy anao
Mitantana anao @ tanan-kavanan'ny fahamarinako Aho

Aza matahotra f’Izaho no voaloha sy farany
Aza matahotra ianao ary minoa fotsiny ihany
Na dia efa maty aza Aho dia indro mbola velona indray
Ary izay rehetra mino Ahy ho velona mandrakizay

Fiv….

Amin’ny fo no teny no ahazoana fahamarinana
Amin’ny vava no hanekena hahazoana famonjena
Ka na dia kely toy ny voatsinampy ny finoanao
Izay dia ampy handrodana ny tendrombohitr’olana

Tsy misy maharombaka zay am-pelantanany
Miravoa f’Izy hiaro anao
Fa Izy tsy mba ela dia ny fikasany
Matokia fa Izy homba anao
Ny lanitra sy ny tany levona avokoa
Fa ny tenin’ny Tompo tsy ho levona mandrakizay

Fiv….

Category

🎵
Music