Bodo - fenonao

  • il y a 16 ans
Bodo - Fenonao /// Tonony : Ny Eja.

Izay jereko anie ry aiko, omban'ny alokao.
Tsy hitahita toa tsy haiko, fa voatonona ny anaranao
Ny tontolon'ny fisainako, manjohy anao am-binany
Tiako ianao amin'ny fiainako, hanorenana akany.

AIZA IANAO (x2)
MOA VE MAHATSIARO AHY;
IZAHO ATY MBOLA TIA,
TENA TIA FA AZA MANAHY!

Raha toa ka misy eritreritra, tonga ao an-dohako ao
Voatsiahiko matetika, ireo tokintsika izay natao,
Isan'andro aho mitsiky, lavitra ahy ny tomany
Fenonao mihitsy, ilay ratra-poko manontany

Ny sarinao tsy mba miala eo imasoko
Vita sikotra tsy maty ato anatiko
Eny anao aho, anao irery ihany

Tena tia fa tsy hanihany...

Category

🎵
Music