Ny Railovy - Volan'ny kamboty

  • il y a 16 ans
Ny Railovy : Volan'ny kamboty

Iny volana iny
Tazanay manarangarana eo
Itambaram-betsovetso
Hafaliana sy tomany

Volana mitranga
Eo am-baravarakelinay
Tsy hitafana fifaliana
Fa mamoha ny fahoriana

Any ho any anefa
'Zao rehetra 'zao mahita anao e
Volana ô ! Lazao, lazao
Fa ny eto mitalaho

Efa ampy izay
Ilaozy ny varavaranay
Avelao ho maizina eto
Ny torimaso kelinay.

Category

🎵
Music