Willah - Avelao izy handeha

  • il y a 15 ans
AVELAO IZY HANDEHA

Reko izao feonao mitalaho
Milaza fa hoa tena tsisy azo atao
Mandratra tokoa ilay fery am-po
Kanefa hatrakao ny loha

An-tsainao izao izay vitany
Nefa aza atao mahakivy
Fa indray andro any mbola ho avy
Ny anjaranao tsy ho lany

FIV : ….
Avelao izy andeha f'aza sakananao
Ajanony hatreo ireo tomaninao
Avelao izy andeha fa fiainam-baovao
indray izao no hatrehanao

Fantatro fa tsy ho mora ny handao
Ireo nokasaina toa lasa nangaina
Am-po tokoa ilay ratra taloha
Kanefa hatrakao ny loha

An-tsainao izao izay vitany
Nefa aza atao mahakivy
Fa indray andro any mbola ho avy
Ny anjaranao tsy ho lany

FIV…

Tsy ho neninao ireo vita natao
K'aza mitanondrika ianao
Ka ny alahelo atsaharo izao
Lalan-kafa indray no katsao

FIV…

Category

People