Tarika Ravelo J. B. - Teninao

  • il y a 15 ans
TENINAO

Nankaiza irony fiteny fahiny
Nahoana no laroinao teny vahiny
Ampy hilazàna izay am-po ooo
Ny tenindrazanao mitady ho lò
Ekena avokoa zay rehetra vaovao
Fa raha ny teninao ny tenindrazanao
No avela ho konka tsy hisy hitandro
De toa olon-dratsy mivoaka andro

Inona ngamba no atao hoy ianao
Itiavana ny teninao
Ataovy ao am-po, ataovy ao an-tsaina
Ilay teninao mivelona miaina ô
Matoa anie ny lasa nisy voatahiry
Noho ireo nitia sy nikiry
Dieny zao mbola mijoro
Azony hatrany mba tsy hikoro e

Nankaiza irony fiteny fahiny
Nahoana no laroinao teny vahiny
Ampy hilazana izay am-po ooo
Ny tenindrazanao mitady ho lò
Ekena avokoa zay rehetra vaovao
Fa raha ny teninao, ny tenindrazanao
No avela ho konka tsy hisy hitandro
De toa olon-dratsy mivoaka andro

J. B. RAVELO

Category

Personnes