Njakatiana - avelao aho hitia

  • il y a 15 ans
Avelao aho hitia
A/C : Njakatiana

Raha vao nahita anao
Toa tsy nisy intsony teo ’zao tontolo izao
Babo avy hatrany Tsy te-hahalala izay miandry
F’aleo aho, aleo aloha aho hitia

Ianao toa moa miahiahy
Aza asesikao moa izay momba ahy
Fa fantaro kely aloha ’ty fo adala tokoa
K’aleo aho, aleo aloha aho hitia anao

Izaho anie tsy taitra fotsiny @’izao
Fa tena tia anao aho matoa sahy mitalaho
Aza dia matahotra loatra izay ho avy
Fa ny ahy hajaiko daholo
Alamina avokoa fa izao aloha :
Avelao aho hitia anao
Dia mba ho tony ny ao anatiko ao
N’inona n’inona izay mbola eritreritrao
Avelao aho aloha hitia anao

Category

🎵
Music