Rija & Mahery - nandrasako

  • il y a 15 ans
Nandrasako : Rija & Mahery

Nandrasako ho tonga maraina gina foana teo aho
Nandroso hisakafo aho ny atoandro nangina ilay seza
Niandry handondona ihany aho ny hariva nandinim-baravarana
Tsy tonga ianao (x2), nipitrapitra teo aho

Fetiko androany (x2), dia tsy tsaroanao ve ?
Sa nininao hoadinoina tsotr’izao fa inona no antony ?
Fandrao dia tsy tianao intsony aho, tsy manahy lazao ahy (x2)

Raha toa izany (x2), hivavaka aho ho antsika
Mahazoa zay rehetrarehetra mety ilaina ianao ny anjarako fa vita
Ny sombin’ny tsara azo avy amiko no iriko ho hovimbininao
Ny sombin’ny tsara azo avy amiko no iriko tehirizinao

Antenaiko ho tonga rahariva ilay kintan-kely anjarako
Fa na handao aho izy ampitso inoako fa hipody indray
Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita
Tsy tonga ianao (x2) tsy hipitrapitra intsony aho

Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita
Tsy tonga ianao (x2) tsy hipitrapitra intsony aho

Category

🎵
Music