Erick MANANA & Anna TANVIR - Maniry mafy aho

  • il y a 14 ans
http://www.baiboly.org/

MANIRY MAFY AHO

Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô
Hialoka eo ambany hazo fijalianao
Tsy misy toeran-kafa re ‘zay tena mamiko
Ny hazo fijalianao no fiarovako

Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô ! Fa afa-keloka

Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako hohazavain’ny tavanao
Ataoko fatiantoka ny zava-mora lo
Ny hazo fijalianao no tombon-dahiko

E. G. CLEPHANE

Category

People