Ndriana RAMAMONJY et al. - Moa Jesosy va tsy ahy ?

  • il y a 13 ans
http://www.baiboly.org/
Matio : 6-13

Moa jesosy va tsy ahy ?

Na mandalo ady sarotra aza aho
Moa Jesosy ve tsy ahy
Aroko sy mandako sady tokiko
Na hisesy eo anoloako aza moa
Zay mety ho fakam-panahy
Mampandresy ahy hatrany Jeso

Izy no namonjy ahy ka nanafaka ahy
Ary koa mbola miaro sy mitantana ahy
Na hisesy eo anoloako aza moa
Zay mety ho fakam-panahy
Mampandresy ahy hatrany Jeso

Na ambinina aza ireo ratsy fanahy
Moa Jesosy ve tsy ahy
Tsy mba hierikerika aho, tsy hanana ahiahy
Na ety an-tany na an-danitra any
Tsisy iriko tahaka Azy
Vatolampy sy anjarako Izy

Izy no namonjy ahy ka nanafaka ahy
Ary koa mbola miaro sy mitantana ahy
Na ety an-tany na an-danitra any
Tsisy iriko tahaka Azy
Vatolampy sy anjarako Izy

A/C : Ndriana RAMAMONJY

Category

People